Izaho filoha fara-tampony no tsy manao kolikoly. Iza amin’ireo ao ambaniko no sahy hanohitra izany ?
Izaho filoham-pirenena no tsy hanao kolikoly, tsy hanondrana harem-pirenena antsokosoko, na volamena na “bois de rose” na vatosoa, tsy hanodikodina volam-panjakana, tsy hihinana volam-panjakana, koa ho sahirana izay ao ambaniko ka sahy hanao an’izany satria izaho lohany no tsy hanao… izay manao izany ka tratra dia : miala amin’ny toerany miaraka amin’ny vava, mamerina ny zavatra izay naondrany, tsy vitan’izany fa miditra am-ponja.